Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy mba tsy ho eo amin’ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin’izany ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!
Daniela 7:17 - DIEM PROTESTANTA Ireo biby efatra lehibe dia mampiseho fanjakana efatra hipoitra avy amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireo biby efatra lehibe dia mampiseho fanjakana efatra hipoitra avy amin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. Malagasy Bible Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. La Bible en Malgache Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ny tany. |
Aoka ny sandrinao, TOMPO ô, handroaka azy mba tsy ho eo amin’ny velona intsony fa izany no natao ho anjarany etoana. Ampigohy azy ny mafaitra tahirizinao ho azy; ny zanany koa anie hisotro amin’izany ka hamela ny sisa ho an’ny zafikeliny!
Dia nanatona ny anankiray tamin’izay nitsangana teo aho ary nanontany azy ny tena hevitr’ireo rehetra ireo. Koa nambarany tamiko sady nampahafantariny ahy ny dikany.
Aorian’izany dia ho lasan’ny olo-masin’ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay.
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakàko; fa raha an’izao tontolo izao ny Fanjakàko, dia ho niady ny mpanompoko mba tsy ho voatolotra tamin’ny manampahefana jiosy Aho; kanefa tsy anisan’izao etỳ izao ny Fanjakàko.
Dia nahita biby anankiray nipoitra avy tany an-dranomasina aho; nanana tandroka folo sy loha fito izy; nisy satroboninahitra iray avy isaky ny tandrony; ary nisy anarana iray manevateva an’Andriamanitra isaky ny lohany.
Dia nahita biby anankiray hafa nipoitra avy tamin’ny tany aho: nanana tandroka roa tahaka ny an’ny ondrikely izy sady nierona tahaka ny dràgona.