Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 6:15 - DIEM PROTESTANTA

Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nandre izany zavatra izany; dia nisaintsaina ny hanavotra an’i Daniela izy ary nitady izay hamonjena azy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nahare izany teny izany; nefa satriny ihany ny hanafaka an’i Daniela ka nanao izay tratry ny sainy hamonjena azy izy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nandre izany zavatra izany; dia nisaintsaina ny hanavotra an’i Daniela izy ary nitady izay hamonjena azy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an'i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nahare izany teny izany; nefa satriny ihany ny hanafaka an’i Daniela ka nanao izay tratry ny sainy hamonjena azy izy mandra-pilentiky ny masoandro.

Jereo ny toko



Daniela 6:15
4 Rohy Ifampitohizana  

Tsy azo foanana rehefa taratasy voasoratra tamin’ny anarako sy voatomboka tamin’ny peratro; kanefa manorata taratasy amin’ny anarako ianareo, araka izay sitrakareo mba hamonjena ny Jiosy, ka tombohy amin’ny peratro izany.


Dodona erỳ ireo lehilahy ireo nitsikilo ka nahita an’i Daniela nivavaka sy nitalaho tamin’ny Andriamaniny;


Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin’ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan’andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalàm-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin’ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin’Andriamanitra na amin’olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.