Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 5:17 - DIEM PROTESTANTA

Dia namaly i Daniela ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –Ry mpanjaka ô, aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo ny hafa ny valim-pitianao; fa ny soratra dia hovakiko aminao ihany ary hampahafantariko anao koa ny heviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia hoy i Daniela hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao dia omeo ny hafa. Kanefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra ary hampahafantariko azy koa ny heviny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia namaly i Daniela ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: –Ry mpanjaka ô, aoka ho anao ihany ny fanomezanao, ary omeo ny hafa ny valim-pitianao; fa ny soratra dia hovakiko aminao ihany ary hampahafantariko anao koa ny heviny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan’ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia namaly Daniela ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao omeo ny hafa; nefa hovakiko amin'ny mpanjaka ihany ny soratra, ary hampahafantariko azy ny heviny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia hoy i Daniela hoe: Aoka ihany ho anao ny fanomezanao, ary ny valim-pitianao dia omeo ny hafa. Kanefa hovakiko amin’ny mpanjaka ihany ny soratra ary hampahafantariko azy koa ny heviny.

Jereo ny toko



Daniela 5:17
8 Rohy Ifampitohizana  

hianianako fa tsy mba handray avy amin’izay rehetra anao aho, na dia singan-kofehy na fehin-kapa iray aza. Sao manko lazainao hoe: «Izaho no nampanankarena an’i Abrama.»


Ka hoy i Elisà tamin’ny mpanjakan’i Israely: –Nahoana no mankatỳ amiko ianao? Mandehana any amin’ireo mpaminanin-drainao na ireo mpaminanin-dreninao! Fa novalian’ny mpanjakan’i Israely hoe: –Tsia, fa ny TOMPO mihitsy no nitaona anay mpanjaka telo lahy ireto mba hatolotra eo an-tanan’ny Môabita.


Fa hoy ny navalin’i Elisà: –Velona ny TOMPO izay tompoiko, ka manizingizina aminao aho fa tsy handray izany. Nitambezo azy handray ihany i Nahamàna, saingy nanda hatrany kosa i Elisà,


Fa hoy indray i Elisà: –Moa ataonao tsy ho hitako am-panahy ve iny lehilahy izay niala tamin’ny kalesiny hitsena anao iny? Tsy fotoana fandraisam-bola na fitafiana, na tanin’ôliva na tanimboaloboka, na ondry aman’osy, na omby, na mpanompolahy na mpanompovavy izao;


Ny baikonao no holazaiko tsy amin-kenatra eo anatrehan’ny mpanjaka.


Fa raha mahalaza amiko ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko. Noho izany ambarao ahy ny nofy sy ny heviny.


Niaraka tamin’izay dia nanome baiko i Belsatsara mba hampiakanjoina jaky i Daniela sady hasiana rojo volamena ny vozony. Ary nasainy nambara am-pahabemaso koa fa i Daniela dia isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eo amin’ny fanjakana.


Fa hoy i Petera taminy: –Vereza miaraka amin’ny tenanao ny volanao satria nataonao fa azo vidîm-bola ny fanomezan’Andriamanitra.