Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian’izany.
Daniela 2:16 - DIEM PROTESTANTA Avy eo nankany amin’ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niditra i Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka mba hanome andro azy, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo nankany amin’ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niditra Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. Malagasy Bible Dia niditra Daniela ka nangataka tamin'ny mpanjaka hanome andro azy, dia holazainy amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. La Bible en Malgache Dia niditra i Daniela ka nangataka tamin’ny mpanjaka mba hanome andro azy, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofy. |
Ny fahatezeran’ny mpanjaka dia iraka mahafaty; fa ny hendry kosa no manao izay hitonian’izany.
nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan’ny mpanjaka i Ariôka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra.
Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an’i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra;