Dia namaly an’i Sekema sy i Hamôra rainy tamin’ny hafetsena ireo zanakalahin’i Jakôba, satria nandoto an’i Dinà anabaviny izy.
Daniela 11:23 - DIEM PROTESTANTA Hampiasa ireo fifanarahana natao taminy izy mba hamitapitahana; ka hitombo hatrany ny heriny, na dia olom-bitsy aza no ho mpomba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa vita fanekena aminy io dia hampiasa fitaka; hiakatra izy ka hahery na dia vitsy aza ny olona entiny. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hampiasa ireo fifanarahana natao taminy izy mba hamitapitahana; ka hitombo hatrany ny heriny, na dia olom-bitsy aza no ho mpomba azy. Baiboly Protestanta Malagasy Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. Malagasy Bible Eny, rehefa mifanaiky aminy io, dia hanao fitaka; fa hiakatra izy ka hahery, na dia vitsy aza ny olona entiny. La Bible en Malgache Rehefa vita fanekena aminy io dia hampiasa fitaka; hiakatra izy ka hahery na dia vitsy aza ny olona entiny. |
Dia namaly an’i Sekema sy i Hamôra rainy tamin’ny hafetsena ireo zanakalahin’i Jakôba, satria nandoto an’i Dinà anabaviny izy.
fony tonga i Dôega, ilay Edômita, ka nilaza tamin’i Saoly hoe: Nankany an-tranon’i Abimeleka i Davida.
Karama manodoka no raisin’ny olon-dratsy; fa valisoa azo antoka no an’izay mamafy fahamarinana.
Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.
An-tsokosoko no hidirany ao amin’ireo toerana mahavokatra indrindra ao amin’ny faritany ka hanaovany zavatra tsy mbola nataon’ny rainy na ny razany: hozarainy amin’ireo mpomba azy ny babo sy ny harena voababony tao. Hanao teti-dratsy koa izy hamelezana tanànamimanda. Kanefa fotoana fohy ihany no haharetan’izany.
Hitombo hery hatrany izy, kanefa tsy avy amin’ny herin-tenany. Hanao fanimban-javatra mampitolagaga izy ary hahomby amin’ny hataony; haringany ireo mahery sy ireo olona voatokana ho an’Andriamanitra.
Noho ny hafetseny dia hamitaka ny hafa izy, ary noho ny avonavon’ny fony dia handringana olona maro mihevi-tena handry feizay; hitsangana hanohitra ny Tompon’ny Tompo, nefa kosa ho torotoro tsy kasihin-tanana akory.
ka dia tonga feno izao tsy rariny, haratsiana, fitiavan-karena sy halozana isan-karazany izao; tonga mpialona, mpamono olona, mpihantsy ady, mpamitaka, mpanao otri-po, mpanely tsaho;
Saingy atahorako fandrao hihasimba ny toe-tsainareo, ka hilaozanareo ny firaiketam-po mahitsy sy madio amin’i Kristy, tahaka ny nahavoafitaka an’i Eva tamin’ny lainga tsara lahatra nataon’ny bibilava.
Ombàn’ny herin’i Satàna no hiavian’ilay mpanao ratsy, ka hahavita karazan’asa mahagaga sy famantarana ary zava-mahatalanjona manodoka olona izy,