Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.»
Daniela 11:22 - DIEM PROTESTANTA Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ireo miaramila betsaka dia hirohotra eo aminy ka ho resiny miaraka amin’ny mpanapaka izay vita fanekena aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza. Baiboly Protestanta Malagasy ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin’ny andriana vita fanekena aminy koa. Malagasy Bible ary ireo miaramila toy ny safotra no hindaosina hiala eo anatrehany sady ho resiny mbamin'ny andriana vita fanekena aminy koa. La Bible en Malgache ary ireo miaramila betsaka dia hirohotra eo aminy ka ho resiny miaraka amin’ny mpanapaka izay vita fanekena aminy. |
Ianareo manao hoe: «Efa nanao fifanekena tamin’ny fahafatesana izahay ary efa nifanaraka tamin’ny toeran’ny maty; koa na ho avy aza ny loza, dia tsy hahatratra anay, fa ny lainga no ataonay fiarovana ary ny fitaka no ataonay fierena.»
«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.
Hampiasa ireo fifanarahana natao taminy izy mba hamitapitahana; ka hitombo hatrany ny heriny, na dia olom-bitsy aza no ho mpomba azy.
Noho ny hafetseny dia hamitaka ny hafa izy, ary noho ny avonavon’ny fony dia handringana olona maro mihevi-tena handry feizay; hitsangana hanohitra ny Tompon’ny Tompo, nefa kosa ho torotoro tsy kasihin-tanana akory.
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.
Noho izany, dia hihorohoro ny tany ary hisaona ny mponina rehetra ao aminy; eny, hihorohoro tokoa ny tany tontolo, ka hisondrotra sy hietry tahaka an’i Neily onin’i Ejipta.
Ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao, vao manendry ny tany, dia mampihovotrovotra azy; misondrotra sy mietry ny tany manontolo tahaka an’i Neily, onin’i Ejipta; ary misaona ny maty ireo mponina rehetra ao aminy.
na dia tonga hanafotra aza ny loza. Fa potehiny kosa ny fahavalony ary alefany any amin’ny haizim-pahafatesana.