Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.
Daniela 10:20 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny niaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa miainga aho dia indro ho avy ny andrianan’i Gresy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy indray izy hoe: ‹Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako atỳ aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin’ny anjely mpiaro an’i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an’i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan’i Grisia. Malagasy Bible Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny nihaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin'ny andrianan'i Persia aho, ary rehefa mivoaka aho, dia, indro, ho avy ny andrianan'i Grisia. La Bible en Malgache Dia hoy izy: Moa fantatrao va ny niaviako atỳ aminao? Ankehitriny dia hiverina hiady amin’ny andrianan’i Persia aho, ary rehefa miainga aho dia indro ho avy ny andrianan’i Gresy. |
Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.
Dia niainga hankao an-tobin’ny Asirianina ilay anjelin’ny TOMPO ka nisy 185 ny antoko-miaramila naripany; ary raha vao nifoha ny sisa velona tamin’ny maraina, dia nahita fa efa maty avokoa ireo.
Fa ny anjely mpiaro ny fanjakan’i Persia dia nanohitra ahy nandritra ny 21 andro; nefa indro i Mikaela, anankiray amin’ireo anjely lohalaharana indrindra, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho sisa tafajanona teo anilan’ireo mpanjakan’i Persia.
Taorian’izany dia mbola nijery aho, ka indro nisy iray hafa koa tahaka ny leôparda, nanana ela-borona efatra tao an-damosiny. Nanana loha efatra ilay biby sady nomena azy ny fanapahana.
Ny osilahy lava volo dia manondro ny fanjakana grika; ary ilay tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany.
Niaraka tamin’izay dia nisy anjelin’ny Tompo namely an’i Herôda, noho izy nihambo hitovy saranga amin’Andriamanitra; ka dia nohanin-kankana no nahafaty azy.