Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 10:15 - DIEM PROTESTANTA

«Raha mbola nilaza ireo teny ireo tamiko izy, dia niondrika tamin’ny tany aho fa tsy nahateny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony nilaza izany teny izany tamiko izy dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Raha mbola nilaza ireo teny ireo tamiko izy, dia niondrika tamin’ny tany aho fa tsy nahateny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony nilaza izany teny izany tamiko izy, dia niankohoka tamin'ny tany aho sady tsy nahateny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony nilaza izany teny izany tamiko izy dia niankohoka tamin’ny tany aho sady tsy nahateny.

Jereo ny toko



Daniela 10:15
6 Rohy Ifampitohizana  

Androtr’iny ihany dia hisoka-bava hiteny ianao, fa tsy ho moana intsony, ka hiresaka amin’io olona io. Ho famantaram-panairana ianao ho an’ny vahoakako, ka amin’izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.»


Hampiraiketiko amin’ny lanilaninao ny lelanao, ka hanjary moana tsy ho afa-mananatra io firenena maditra io ianao.


Fa ny hariva nialoha ny andro nahatongavan’io lehilahy io, dia nataon’ny TOMPO tsapako ny heriny tamin’ny nanokafany ny vavako ho afa-miteny indray. Koa ny ampitso maraina, nony tonga teo amiko ilay nandositra, dia tsy moana intsony aho fa afaka niteny.


Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin’ny tany.


Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy.


Noho ianao tsy nino ny teniko izay tsy maintsy ho tanteraka amin’ny fotoana voatendry dia ho moana ianao ka tsy afa-miteny mandra-pahatongan’izany.