3Jaona 1:3 - DIEM PROTESTANTA Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin’ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an’izany. Baiboly Katolika Faly loatra aho, fa nisy havana iray finoana tonga nanambara ny fahamarinanao, na ny andehananao araka ny fahamarinana. Baiboly Protestanta Malagasy Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. Malagasy Bible Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia toy ny andehananao araka ny fahamarinana. La Bible en Malgache Fa faly indrindra aho, fony nisy rahalahy tonga ka nanambara ny fahamarinanao, dia ny fandehananao amin’ny marina. |
Andro vitsivitsy taorian’izany nony tafavory ny mpino miisa tokony ho 120, dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe:
tsy mifaly amin’ny tsy rariny ataon’ny olona, fa mifaly amin’ny marina ataon’ny olona.
Koa dieny mbola manana andro isika, dia aoka hanao soa amin’ny olona rehetra, fa indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana.
satria mitoetra ao anatintsika ny hafatra marim-pototra sady homba antsika mandrakizay.
Faly tokoa aho tamin’ny nahitako ny zanakao sasany miaina ny hafatra marim-pototra, araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray.
Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.
Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.
Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.
Asan’olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin’ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy.