Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina eny ambonin’ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: «Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!
2Timoty 4:5 - DIEM PROTESTANTA Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin’ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa mahonòna tena kosa ianao amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin’ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin’Andriamanitra. Baiboly Katolika Fa ianao kosa, malìna amin’ny zavatra rehetra, miareta amin’ny fahoriana, ataovy ny asan’ny mpitory Evanjely, ary imasoy ny anjara raharahanao. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hianao kosa mahonona tena amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. Malagasy Bible Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. La Bible en Malgache Fa mahonòna tena kosa ianao amin’ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao. |
Ry Jerosalema ô, efa nametrahako mpiambina eny ambonin’ny mandanao eny, ka tsy mahazo mangina ireo na andro na alina: «Ianareo izay mampahatsiaro ny TOMPO, aza mitsaha-manao izany ianareo!
Nametrahako mpitily teo aminy, hampaneno ny anjomara fanairana. Kanefa hoy izy hoe: «Tsy ahoanay izany!»
«Ry ilay taranak’olombelona, ataoko mpitily ho an’ny Israelita ianao; koa hohenoinao ny teniko ary hampitainao aminy ny fampitandremana avy amiko.
«Ry ilay taranak’olombelona, mitenena amin’ny Israelita ka lazao azy ny zava-mitranga rehefa manetsika ady hamelezana tany anankiray Aho. Ny mponina amin’io tany io dia hifidy lehilahy iray ao aminy ka hanendry azy ho mpitiliny.
«Ry ilay taranak’olombelona, ianao no efa notendreko ho mpitily hanaitra ny vahoaka Israely. Hihaino ny teny aloaky ny vavako ianao ka hampita ny fampitandremako amin’ny Israelita.
Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000.
Ho tahaka ny amin’ity lehilahy handeha any an-tany hafa izany: nandao ny tranony ralehilahy ary nizara fahefana tamin’ireo mpiasany ka samy notolorany ny raharahany avy, dia nanafatrafatra ny mpiandry vavahady hiambina.
Sambatra ireo mpanompo hitan’ny tompony miari-tory raha tonga izy. Lazaiko marina aminareo fa hisikina lamba ny tompony ka hampipetraka azy hihinana ary handroso sakafo ho azy.
Niainga indray izahay ny ampitso ka tonga tany Kesaria; ary dia nandroso tao an-tranon’i Filipo mpitory Vaovao Mahafaly, ka nitoetra teo aminy. I Filipo dia anankiray tamin’ireo fito lahy voafidy tany Jerosalema,
tamin’ny herin’ny famantarana sy zava-mahagaga ary tamin’ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra. Hany ka feno tokoa ny fitoriako ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy, hatrany Jerosalema sy ny manodidina ka hatrany amin’ny faritany Iliria.
Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an’ny olona, ka nanao ny sasany ho apôstôly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra.
Ho fampitaovana ny vahoakan’Andriamanitra ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan’ny tenan’i Kristy.
Tonga mpanompon’ny Fiangonana aho, araka ny andraikitra nomen’Andriamanitra hotontosaiko aminareo: dia ny manatanteraka ny fitoriana ilay tenin’Andriamanitra,
Lazao amin’i Arkipo fa tsy maintsy hotontosainy tsara ny fandraharahana noraisiny ho fanompoana ny Tompo.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Tontosay ireo adidy ireo ka imasoy tsara, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao.
Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen’Andriamanitra anao.
Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin’Andriamanitra, mba hahazoan’ireo koa famonjena, dia ilay ao amin’i Kristy Jesoa, mbamin’ny voninahitra maharitra mandrakizay.
Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.
Manoava an’ireo mpitarika anareo ara-pivavahana, ka maneke azy. Fa ireo no miambina hatrany ny fanahinareo, toy ny olona mbola hampamoahin’Andriamanitra ny amin’izany. Raha manoa ianareo, dia amin’ny hafaliana no hanaovan’ireo ny raharahany; fa raha tsy manoa ianareo, dia amin’ny fisentoana no hanaovany azy ka tsy hahasoa anareo izany.
Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Miambena, ka aoreno tsara ny zavatra sisa efa mila ho faty, satria tsy nisy nahitako lavorary eo anatrehan’Andriamanitro ny asanao.