2Timoty 4:16 - DIEM PROTESTANTA Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin’ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan’Andriamanitra ho hadisoany anie izany! Baiboly Katolika Tsy nisy nanampy ahy tamin’ny nandaharako voalohany hiaro tena; fa nilaozan’izy rehetra aho; enga anie ka tsy hotanana ho helony izany! Baiboly Protestanta Malagasy Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). Malagasy Bible Tamin'ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany). La Bible en Malgache Tamin’ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa izy rehetra. Mba tsy hisaina ho helony anie izany! |
Raha entina hotsaraina eo amin’ny sinagôga na eo anatrehan’ny mpitondra sy ny manampahefana ianareo, dia aza manahy ny amin’izay havalinareo na izay holazainareo;
Indro avy ary efa tonga sahady aza ny andro izay hielezanareo samy ho any amin’ny misy anareo avy, ary handaozanareo Ahy ho irery; kanefa tsy irery Aho, fa miaraka amiko ny Ray.
–Ianareo havana sy ianareo ray aman-dreny, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny mba hiarovako tena.
Fa izao no navaliko an-dry zareo: «Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona raha tsy efa nampifanatrehina tamin’ny mpiampanga ny ampangaina ary nahazo niaro tena nanohitra ny fiampangana.»
Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: –Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!
tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora sosotra, tsy manao an-dolompo,
Jereo tokoa ny vokatr’izany alahelo araka an’Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan’Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin’iny raharaha iny.
irerỳ kosa asesiky ny fifampiandaniana, ka tsy manambara an’i Kristy amin-kitsim-po, fa mihevitra hanampy trotraka ny fijaliako amin’izao maha voafonja ahy izao.
Rariny tokoa ny iheverako anareo rehetra toy izany. Eny, entiko ato am-poko ianareo, satria mpiombona ny tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy ianareo rehetra, na amin’izao maha voafonja ahy izao na fony aho nampandresy lahatra sy nanamafy orina ny Vaovao Mahafaly.
Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan’ireny ry i Figelo sy i Hermozena.
Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.
fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin’ny fanantenana ao anatinareo,