Dia novalian’i Mikaià hoe: –Indro fa ho hitanao izany amin’ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.
2Timoty 3:9 - DIEM PROTESTANTA Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa tsy handroso intsony ireo, satria haseho amin’ny olona rehetra toy ny an’i Janà sy i Jambrà koa ny hadalàny. Baiboly Katolika kanefa tsy handroso intsony izy, fa hiharihary amin’ny olona rehetra tahaka ny azy roa lahy ireo koa ny hadalany. Baiboly Protestanta Malagasy Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo koa. Malagasy Bible Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo koa. La Bible en Malgache Kanefa tsy handroso intsony izy; fa ny hadalany dia haseho amin’ny olona rehetra, tahaka ny an’ireo roa lahy ireo koa. |
Dia novalian’i Mikaià hoe: –Indro fa ho hitanao izany amin’ny andro izay hitsofotsofohanao efitrano mba hiery.
fony Ianao nitsangana hilaza ny fanapahan-kevitrao hamonjy ny malahelo rehetra eto amin’ny tany. Fiatoana
Nantsoin’ny Farao ihany koa ireo olon-kendry sy mpanao majia tao Ejipta; ary ireo ombiasy ireo dia nanao toy izany koa tamin’ny fitokavany:
Samy nanipy ny tehiny tamin’ny tany avy izy ka nanjary fanàny ireny. Saingy ny tehin’i Aharôna dia nitelina ny tehin’ireo.
Tsy afaka niseho teo anatrehan’i Mosesy ireo mpimasy noho ny vay, fa rakotry ny vay toy ireo Ejiptianina rehetra izy.
Ary nankaiza ireo mpaminany izay naminany teo aminareo fa tsy ho tonga hanafika anareo na ity tanàna ity ny mpanjakan’i Babilôna?
Fa romotry ny hatezerana kosa ireo mpahay lalàna sy Farisianina ka niara-nioko ny amin’izay hanaovany an’i Jesoa.
Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra. Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy.
Tahaka ny nanoheran-dry i Janà sy i Jambrà an’i Mosesy no anoheran-dry zareo ny fampianarana marim-pototra; fa ireo dia olona efa maloto saina, ary ny finoany efa tsy azo antoka.