–Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin’ny varavarana èty: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!
2Timoty 2:5 - DIEM PROTESTANTA Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika. Baiboly Katolika izay mifaninana hahazo loka amin’ny kianja filalaovana koa, tsy mahazo satroboninahitra raha tsy niady ara-dalàna; Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha misy manezaka amin’ny filalaovana, dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. Malagasy Bible Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna. La Bible en Malgache Raha misy mandray anjara amin’ny fifaninanana dia tsy satrohana satroboninahitra izy raha tsy manezaka araka ny fitsipi-dalao. |
–Ataovy mihitsy izay hahatafiditra eo amin’ny varavarana èty: fa maro, hoy Aho aminareo, no hitady hiditra nefa tsy ho afaka!
Eny, fialonana ahy sy fitia te hifanditra no itorian’ny sasany an’i Kristy, fa hitsim-po kosa no manentana ny sasany.
Hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen’i Kristy sady miasa fatratra ato anatiko.
Nataonao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy izy; dia nosatrohanao voninahitra sy haja;
Izao no hitantsika: natao ambany noho ny anjely nandritra ny fotoana fohifohy i Jesoa, mba ho faty ho an’ny olona rehetra noho ny fahasoavan’Andriamanitra; ary satria niaritra ny fahafatesana Izy, dia nosatrohan’Andriamanitra voninahitra sy haja.
Sambatra ny olona izay maharitra ny fitsapana; fa rehefa voasedran’izany izy, dia ny fiainana efa nampanantenain’Andriamanitra ireo tia Azy no horaisiny ho satroboninahi-pandresena.
ka rehefa miseho ilay Filohan’ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba ianareo.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.
dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana afovoany koa ireo loholona 24, mitsaoka ilay Velona mandrakizay mandrakizay sady manipy ny satroboninahiny eo anoloan’ilay sezafiandrianana ka manao hoe:
Nanotrona io sezafiandrianana io dia nisy sezafiandrianana hafa 24; ary teo ambonin’ireo sezafiandrianana ireo dia nisy loholona 24 nipetraka, niakanjo akanjo fotsy sady nisatroka satroboninahitra volamena.