Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa.
2Timoty 2:4 - DIEM PROTESTANTA Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin’ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin’izay mandatsaka azy hiantafika. Baiboly Katolika Ny miaramila te hahazo sitraka amin’izay nandatsaka azy, dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao; Baiboly Protestanta Malagasy Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila– Malagasy Bible Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao. mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. La Bible en Malgache Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao, raha ta hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila izy. |
Ny latsaka teo amin’ny tsilo indray dia izay mahaheno ihany koa; kanjo eny an-dalam-pivahiniana, voagejan’ny ahiahy sy ny harena ary ny fahafinaretan’ny fiainana mandalo ka tsy mahavanom-boa.
Fa ny hankasitrahin’ny Tompo no irîntsika voalohany indrindra, na mbola mitoetra ao amin’ity vatana ity isika na miala ao;
Hahazo ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa mijoroa amin’izany, fa aza mety hogiazan’ny zioga maha mpanompo indray.
fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin’olombelona izahay, fa amin’Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay.
Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an’izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalônika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.
Ary raha misy olona efa niala tamin’ny faharatsian’izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.