Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Petera 2:19 - DIEM PROTESTANTA

Fahafahana no ampanantenain’ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin’ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin’izay naharesy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fahafahana no ampanantenain’ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin’ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin’izay naharesy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ampanantenainy fahafahana izy ireo, nefa ny tenany aza andevon’ny fahalotoana, satria izay resy dia andevon’izay naharesy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalotoana; fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon'ny fahalotoana; efa izay maharesy ny olona dia mahandevo avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fahafahana no ampanantenainy ireny, kanjo ny tenany aza dia andevon’ny fahalovana; fa izay maharesy ny olona no manandevo azy.

Jereo ny toko



2Petera 2:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Lozan’i Samaria, tanàna izay satroboninahitra sady reharehan’ny mpidoroka ao Efraîma! Erỳ an-tendron’ny lohasaha lonaka izy, ka ny haingony marevaka dia voninkazo mihamalazo eny an-dohan’ireo lehilahy mamon-divay.


Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:


Hozahan’ny mpisorona izy; ka raha hitany fa manitatra eo amin’ny hoditra tokoa ny manako-pery, dia hambarany hoe maloto ilay olona fa habokana izany.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay rehetra manao fahotana dia andevozin’ny fahotana.


Dia niantoraka tamin’ireto zanakalahin’i Sevà ralehilahy itoeram-panahy ratsy ka nahery noho izy rehetra; nasiany mafy izy fito lahy, ka vaky nandositra ary niboridana sady naratra no niala tao an-tranon-dralehilahy.


Hahazo ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika; koa mijoroa amin’izany, fa aza mety hogiazan’ny zioga maha mpanompo indray.


Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.


ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.


Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.


Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon’Andriamanitra.


Izany voninahitr’Andriamanitra sy fahatsarany izany no nanomezana antsika ireo zavatra sarobidy sy lehibe tokoa nampanantenainy antsika, mba ho tonga mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvana vokatry ny filàndratsy mihanaka eo amin’izao tontolo izao.


Ary raha misy olona efa niala tamin’ny faharatsian’izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.