Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.
2Jaona 1:8 - DIEM PROTESTANTA Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Mitandrema tena ianareo mba tsy hahavery ny vokatr’ireo asanareo sady mba handraisanareo valisoa feno. Baiboly Katolika Tandremo àry, mba tsy hanafoana ny fisasaranay, fa mba handray valisoa tanteraka ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Mitandrema hianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. Malagasy Bible Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka. La Bible en Malgache Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka kosa. |
Ary ireo hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay nampianatra ny maro ho marina dia hamirapiratra tahaka ny kintana mandrakizay mandrakizay.
Tandremo ny amin’ny tenanareo. Hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo ka hokapohiny any amin’ny sinagôga; ary hitsangana eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehany.
Dia novaliany hoe: –Tandremo sao voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy hisandoka ny anarako sady hanao hoe: «Izaho no Mesia», ary «Tonga ny fotoana!» Aza mba manaraka an’ireny.
Izay mijinja dia mandray karama sahady ary mamory vokatra ho an’ny fiaina-maharitra mandrakizay; hany ka hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.
Mitovy ihany izay mamboly sy izay manondraka; ary samy homen’Andriamanitra ny valisoa tandrify azy arakaraka ny fisasarany avy.
Dia ho very maina foana ve ny nahatsapanareo zava-dehibe toy ireny, raha ohatra ka ho very maina foana tokoa izany?
Saingy, na ahoana na ahoana, dia aoka isika hizotra amin’izay efa andehanantsika hatramin’izao.
Tsarovy ny nanjo anareo tamin’ny andro fahiny. Fa rehefa nohazavain’Andriamanitra ianareo, dia niharam-pijaliana sy niaritra ady mafy tokoa:
Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro.