Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Jaona 1:5 - DIEM PROTESTANTA

Ary izao no angatahiko aminao ankehitriny, ry Andriambavy: aoka hifankatia isika! Tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary izao no angatahiko aminao ankehitriny, ry Andriambavy: aoka hifankatia isika! Tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary ankehitriny mihanta aminao aho, Tompokovavy, - tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ny efa azontsika hatramin’ny voalohany ihany - aoka hifankatia isika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin'ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary mangataka aminao aho ankehitriny, tompokovavy, tsy toy ny manoratra didy vaovao aminao, fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany, dia aoka hifankatia isika.

Jereo ny toko



2Jaona 1:5
17 Rohy Ifampitohizana  

Izao no didiko: mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo.


Koa izao no andidiako anareo: mifankatiava ianareo.


Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,


Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin’Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.


Momba ny fifankatiavan’ny samy kristianina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’Andriamanitra hifankatia.


Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin’i Kristy.


Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa.


ny firaiketam-ponareo amin’Andriamanitra ombay fandalana ireo havana iray finoana; ny fandalànareo ny havana iray finoana ombay fitiavana ny olona rehetra.


Izao manko no hafatra efa renareo hatramin’ny voalohany: aoka isika hifankatia!


Ary ny didin’Andriamanitra dia ny hinoantsika ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomen’i Kristy antsika.


Raha misy manao hoe: «Manam-pitiavana an’Andriamanitra aho», nefa mankahala ny namana iray finoana, dia mpandainga izy; fa raha ny namana izay hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?


Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Andriambavy voafidin’Andriamanitra, ary mamangy an’ireo zanakao izay tiako marina tokoa; ary tsy izaho ihany no manam-pitiavana anareo fa izay rehetra mahalala ny hafatra marim-pototra koa,