Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 9:7 - DIEM PROTESTANTA

Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijoro eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava sy mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijanona eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Sambatra lahy ny olonao, ary sambatra ireto tandapanao ireto, izay mijoro eto anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao!

Jereo ny toko



2Tantara 9:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Sambatra ireo olonao sy ireo tandapanao, satria eo anatrehanao mandrakariva ka mandre ny fahendrenao.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.


Mampianatra ny maro ny tenin’ny olo-marina; fa matin’ny habadoana kosa ny adala.


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Fa ny fananana azy dia tsara noho ny fananana volafotsy ary ny tombontsoany dia mihoatra noho ny volamena.


Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; kajio toa firavaka fiambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.


Sambatra izay olona mihaino ahy ka miandry isan’andro eo am-baravarako sy miambina eo an-tokonako!


Fa hoy i Jesoa: –Vao mainka sambatra aza ireo mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy!


Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin’ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.