Fa ankehitriny ny TOMPO Andriamanitro efa nahatonga fandriampahalemana ho ahy eo amin’ny sisintaniko rehetra mba tsy hisian’ny fahavalo na loza hatahorako intsony.
2Tantara 8:16 - DIEM PROTESTANTA Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izany no nahatontosana ny asa rehetra nokasain’i Salômôna, hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’ny TOMPO ka ambaram-pahavitany; ka dia lavorary ny tranon’ny TOMPO. Baiboly Katolika Toy izany no efa nahavoavoatra ny asa rehetra nataon’i Salômôna hatramin’ny andro nanorenana ny tranon’i Iaveh ka hatramin’ny nahavitany. Dia vita ny tranon’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon’i Jehovah. Malagasy Bible Toy izany no nanamboaran'i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin'ny andro nanorenany ny tranon'i Jehovah ka ambara-pahavitany; ka dia vita tsara ny tranon'i Jehovah. La Bible en Malgache Toy izany no nanamboaran’i Solomona ny asa rehetra nataony hatramin’ny andro nanorenany ny tranon’NY TOMPO ka ambara-pahavitany. Dia vita tsara ny tranon’NY TOMPO. |
Fa ankehitriny ny TOMPO Andriamanitro efa nahatonga fandriampahalemana ho ahy eo amin’ny sisintaniko rehetra mba tsy hisian’ny fahavalo na loza hatahorako intsony.
Tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Salômôna, fony volana Ziva, no nametrahana ny fototry ny tranon’ny TOMPO.
Ary tamin’ny taona faha-11, fony volana Bola na volana faha-8, no nahavitan’izany an-tsakany sy an-davany tamin’ny fombany rehetra. Fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Tamin’ny fanaovana ny tempoly, dia vato voapaika avy tany amin’ny fihadiam-bato no nampiasaina, hany ka tsy nandrenesana feon-tantanana na fandraka na fiasana vy hafa tao amin’ny tempoly.
Ary tsy nialan’ireo ny didin’i Davida mpanjaka momba ny mpisorona sy ny levita na amin’inona na amin’inona, indrindra fa ny amin’ny fitahirizan-drakitra.
Tamin’izay i Salômôna dia nankany Hetsiôny-Gebera sy Elôta eo amoron’ny Ranomasin’ny Volotara any amin’ny tany Edôma.