2Tantara 8:10 - DIEM PROTESTANTA Ary ny isan’ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin’i Salômôna dia nisy 250 lahy izay nanam-pahefana tamin’ny olona mpiasa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no isan’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona mpanjaka: Dimampolo sy roanjato izay nanapaka ny olona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny isan’ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin’i Salômôna dia nisy 250 lahy izay nanam-pahefana tamin’ny olona mpiasa. Baiboly Katolika 250 no lehiben’ny komadaoron’i Salômôna mpanjaka, niandraikitra ny fanapahana ny vahoaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no mpifehy ny olona voa-tendrin’i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona. Malagasy Bible Ary izao no mpifehy ny olona voatendrin'i Solomona mpanjaka, dia dimam-polo amby roan-jato izay nanapaka ny olona. La Bible en Malgache Izao no isan’ireo mpifehy voatendrin’i Solomona mpanjaka: Dimampolo sy roanjato izay nanapaka ny olona. |
Ary ny lehiben’ireo mpanara-maso ny asa nampanaovin’i Salômôna kosa dia nisy 250 lahy izay nifehy ny olona mpanatontosa ny asa.
Nasain’i Salômôna niakatra avy any an-tanànan’i Davida ho ao amin’ny trano izay nataony ho azy ny zanakavavin’ny Farao; fa hoy i Salômôna anakampony hoe: «Na dia ny vadiko aza tsy hitoetra ao an-dapan’i Davida mpanjakan’i Israely, satria masina ireo toerana izay efa nidiran’ny Vatamasin’ny TOMPO.»
Ny Israelita kosa tsy mba nampanaovin’i Salômôna izany, fa narotsany ho miaramila na ho manamboninahitra na ho mpitondra kalesy na ho mpitaingin-tsoavaly.