Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 4:13 - DIEM PROTESTANTA

ny sarin’ampongabendanitra efajato nahantona tamin’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana isaky ny harato.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary ny sarin’ampongabendanitra efajato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny bolany roa momba ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ny sarin’ampongabendanitra efajato nahantona tamin’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana isaky ny harato.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ny voan’ampongabendanitra an-dalana roa isan-karato, hanaronana ny boribory roa amin’ny loha andry eo ambonin’ny andry.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary ny sarin’ampongabendanitra efa-jato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon’ny andry avy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary ny sarin’ampongabendanitra efajato ho amin’ny harato roa, sarin’ampongabendanitra roa andalana ho amin’ny harato iray hafono ny bolany roa momba ny tendrony izay teo an-tampon’ny andry avy;

Jereo ny toko



2Tantara 4:13
9 Rohy Ifampitohizana  

Teo ambonin’ireo koronosy ireo dia nisy faritra mivohitra izay any an-koatry ny harato sy ny ampongabendanitra roanjato mitandahatra manodidina ny koronosy tsirairay.


Dia natsangana teo anoloan’ny lalantsara mankao amin’ny Toeramasina ireo andry roa; ka ny anaran’ilay teo ankavanana dia Jakîna, izany hoe «Andriamanitra mampiorina mafy», ary ny anaran’ilay teo ankavia dia Bôhaza, izany hoe «Ao amin’Andriamanitra ny hery».


ny andry anankiroa sy ny koronosy boribory roa teo an-tampony; ny karazana harato roa nafono ny koronosy boribory teo an-tampon’ny andry;


ny sarin’ampongabendanitra efajato nahantona tamin’ny harato, ka nisy roa andalana isaky ny harato nafono ny koronosy;


Nataony koa ny tongàlika miendrika rojo, ka napetrany teo an-tampon’ny andry; avy eo dia nataony ny ravaka misarin’ampongabendanitra zato ka nahantony tamin’ireo tongàlika ireo.


ny andry anankiroa, ny koronosy boribory anankiroa teo an-tampon’ny andry, ny harato anankiroa nafono ny koronosy,


Ianao toa sahan’ampongabendanitra izay misy voany matsiro; samy mamerovero ao koa ny kôfera sy ny narda,


Miisa 96 ireo ampongabendanitra teo amin’ny lafiny efatra, izany hoe ampongabendanitra zato no tontaliny tamin’ny manodidina ny harato.