Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 32:10 - DIEM PROTESTANTA

–Izao no lazain’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria: «Mba inona izao itokianareo izao no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no lazain’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

–Izao no lazain’i Saneheriba mpanjakan’i Asiria: «Mba inona izao itokianareo izao no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

«Izao no lazain’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia mihiboka atao fahirano ato Jerosalema ka tra-pahoriana ianareo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no lazain’i Sankeriba, mpanjakan’i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema hianareo?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao nolazain'i Sankeriba, mpanjakan'i Asyria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo ?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no lazain’i Sankeriba, mpanjakan’i Asiria: Inona izato itokianareo, no dia miaritra fahoriana ato Jerosalema ianareo?

Jereo ny toko



2Tantara 32:10
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy ilay dekà tamin’izy telo lahy: –Ndeha lazaonareo amin’i Hezekià ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria, manao hoe: «Mba inona izao itokianao izao?


Tsy i Hezekià ihany va no manambosy anareo hanolo-tena ho faty mosary sy hetaheta ka milaza fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hamonjy anareo tsy hiharan’ny fahefàko?


Taorian’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekià mpanjakan’i Joda sy ho any amin’ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra. Ka hoy ny hafatra nampitain’ireto iraka hoe:


Dia hoy ilay dekà tamin’izy telo lahy: «Ndeha lazaonareo amin’i Hezekià ny hafatry ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan’i Asiria, manao hoe: –Mba inona moa izao toky ianteheranao izao?