Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 27:3 - DIEM PROTESTANTA

I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO sady nanatontosa rafitra be tamin’ny mandan’i Hôfela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO sady nanatontosa rafitra be tamin’ny mandan’i Hôfela.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanao ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Iaveh i Joatama, sy nandrafitra trano maro teo ambonin’ny mandan’i Ofela.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’i Jehovah sady nandrafitra be tamin’ny màndan’i Ofela koa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah sady nandrafitra be tamin'ny mandan'i Ofela koa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izy no nanamboatra ny vavahady ambony amin’ny tranon’NY TOMPO sady nanorina asa rafitra betsaka tamin’ny mandan’i Ofela koa.

Jereo ny toko



2Tantara 27:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa ny toeram-panasinana tsy noravany ka mbola nanao sorona sy nandoro azy hanetona teny ihany ny olona. I Jôtama no nanamboatra ny vavahady ambony tamin’ny tranon’ny TOMPO.


Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,


Taorian’izany i Manase dia nanao manda teo ivelan’ny Tanànan’i Davida, dia teo andrefan’ny loharanon’i Gihôna. Nitandavana nanaraka ny lohasahan-driaka izany manda izany ka tafapaka hatrany amin’ny Vavahadin’ny Hazandrano rehefa nanodidina an’i Hôfela; avo dia avo no nanaovany azy. Ary nanendreny komandin’ny miaramila ireo tanànamimanda rehetra tao Joda.


Koa namely tehamaina an’i Jeremià mpaminany izy sady namatotra azy tamin’ny tsatòka teo anilan’ny vavahadin’i Benjamîna, dia ilay vavahady ambony mankao an-tranon’ny TOMPO.


Nony ren’ireo mpitondran’i Joda ny zava-nitranga, dia niakatra avy tao an-dapan’ny mpanjaka hankao an-tranon’ny TOMPO izy, ka nipetraka hitsara teo anoloan’ny vavahady vaovao amin’ny tranon’ny TOMPO.