Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 27:1 - DIEM PROTESTANTA

Feno 25 taona i Jôtama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà zanakavavin’i Tsadôka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Feno 25 taona i Jôtama fony izy tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany toa Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jerosà zanakavavin’i Tsadôka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary 25 taona i Joatama, fony vao nanjaka, ary 16 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jerosà zanak’i Sadôka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIMY amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin’ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dimy amby roa-polo taona Jotama, fony izy vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dimy amby roapolo taona i Jotama raha nanomboka nanjaka ary enina amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jerosa, zanakavavin’i Zadoka.

Jereo ny toko



2Tantara 27:1
9 Rohy Ifampitohizana  

i Amatsià zanakalahin’i Jôasy, i Hazarià zanakalahin’i Amatsià, i Jôtama zanakalahin’i Hazarià,


Dia nianjadian’izany aretin-koditra izany i Hozià mpanjaka ambara-pahafatiny; ary nitoetra mitokana tao amin’ny trano anankiray izy, sady tsy nahazo niditra tao an-tranon’ny TOMPO intsony. Ka dia i Jôtama zanany lahy, efa mpifehy ny tao an-dapan’ny mpanjaka, no nitondra ny tany sy ny fanjakana.


Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa i Hozià, dia nalevina tao an-tsaha filevena-mpanjaka; kanefa tsy tao amin’ny fasan-drazana no nandevenana azy, satria hoy ny olona hoe: «Voan’ny aretin-koditra izy!» Ary i Jôtama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.


Feno 25 taona izy fony tonga mpanjaka; ary naharitra 16 taona no nanjakany tao Jerosalema.


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.


Teny nampitain’ny TOMPO tamin’i Mikà izay avy any Môreseta, fony mpanjaka tao Joda ry i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià. Fahitana no nampahafantaran’ny Tompo azy ny teniny momba ny tanàna Samaria sy Jerosalema.


I Ozià, ray niteraka an’i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an’i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an’i Hezekià.