Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 19:3 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ny tany ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’Andriamanitra ianao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa misy hatsaram-panahy hita ihany aminao, satria nofoananao tsy ho eo amin’ny taninao ny tsatokazo fanajana an’i Aserà sady naronanao ny fonao hitady an’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Saingy mba nisy soa hita taminao ihany, fa nesorinao tamin’ny tany ny aserah ary niraiki-po tamin’ny fitadiavana an’Andriamanitra ianao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an’Andriamanitra hianao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin'ny tany ny Aseraha, sady nampiomana ny fonao hitady an'Andriamanitra ianao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa mba misy fahatsaram-panahy hita ihany aminao, fa noravanao tsy ho eo amin’ny tany ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha*, sady nampiomana ny fonao hitady an’Andriamanitra ianao.

Jereo ny toko



2Tantara 19:3
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hanaovan’ny vahoaka Israely rehetra fisaonana izy ka haleviny. Fa izy irery amin’ny taranak’i Jerôbohama rehetra no halevina am-pasana, satria izy irery ihany tamin’izany fianakaviana izany no mba nahitan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely zavatra tsara.


Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Niaiky hadisoana kosa i Rehabohama, ka niala taminy ny fahatezeran’ny TOMPO mba tsy hahalany ringana azy; sady mbola nisy hatsaram-panahy ihany tao Joda.


Ary nanao ratsy i Rehabohama, satria tsy nampifantoka ny fony hitady ny TOMPO.


Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;


Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.


Dia natahotra i Jôsafata ka nanapa-kevitra hanontany ny TOMPO sady niantso andro fifadian-kanina manerana an’i Joda manontolo.


Kanefa ny toeram-panasinana tsy voafongotra, hany ka tsy mbola niraiki-po mafy tamin’ilay Andriamanitry ny razany ny vahoaka.


Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.» Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.


Nitombo hery hatrany i Jôtama noho izy tsara fitondrantena teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.


izay olona efa nanomana ny fony manontolo hitady Anao TOMPO Andriamanitry ny razany, na dia tsy madio araka izay takîn’izao zava-masina izao aza izy.»


I Hezrà manko dia efa niorim-po hianatra ny lalànan’ny TOMPO sy hanatanteraka azy ary hampianatra ny didy amam-pitsipika raketiny.


Ireo fahavaloko efa namelatra fandrika harato tamin’ny lalako mba hampitanondrika ahy; nihadiany longoa teo anoloako, kanjo izy ihany no latsaka tao. Fiatoana


Satria ny tsara, fantatro fa tsy monina ato anatiko, izany hoe ao amin’ny maha olona mpanota ahy. Mba misy ato amiko ihany ny fikasana hanao ny tsara, fa ny fanatanterahana azy no tsy misy:


ka nilazan’i Samoela hoe: –Raha amin’ny fonareo manontolo tokoa no hiverenanareo amin’ny TOMPO, dia atsaharo ny fanompoanareo andriamani-kafa sy fanompoanareo ny sampy Hastôreta; aoka hiraiki-po amin’ny TOMPO ianareo, ary aza manompo afa-tsy Izy irery ihany, fa hovonjeny tsy ho voagejan’ny Filistinina ianareo.