Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 18:4 - DIEM PROTESTANTA

Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe: –Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe: –Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia hoy i Jôsafata tamin’ny mpanjakan’i Israely: «Miangavy anao aho hanontany izay tenin’i Iaveh ankehitriny.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Isiraely: Masìna hianao, anontanio aloha ny tenin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Josafata tamin'ny mpanjakan'ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy anefa i Josafata tamin’ny mpanjakan’ny Israely: Miangavy anao aho, anontanio aloha ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



2Tantara 18:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany dia nanontany ny TOMPO i Davida hoe: –Handeha ho any amin’ny tanàna iray any Joda ve aho? Ka novalian’ny TOMPO hoe: –Eny, mandehana! Dia hoy indray i Davida: –Aiza no handehanako? Ka hoy ny TOMPO hoe: –Any Hebrôna.


Nanontany ny TOMPO i Davida nanao hoe: –Hiakatra hanafika ny Filistinina ve aho? Hatolotrao eo an-tanako ve izy ireo? Dia hoy ny TOMPO namaly an’i Davida: –Eny, miakara fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistinina.


Dia nanontany ny TOMPO indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy, dia hanatona azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo ianao.


ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay.


ary novorin’ny mpanjakan’i Israely ny mpaminaniny efajato lahy ka nanontaniany hoe: –Handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve isika, sa hijanona ihany aho? Dia novalian’ireo hoe: –Mandehana, ry andriamanjaka, fa hatolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny tanàna.


Fa ny mpanjakan’i Joda, izay naniraka anareo hanontany Ahy TOMPO, dia anambarao fa Izaho TOMPO Andriamanitr’i Israely dia milaza izao:


Zavatra tokana no angatahiko sady irîko fatratra homen’ny TOMPO: dia ny hitoetra ao an-tranony mandritra ny androm-piainako rehetra, mba hianoka amin’ny hatsarampony sy hiandry ny torolalany ao an-tempoliny.


–Raha sitrakao, anontanio ny TOMPO re ny momba antsika, satria miady amintsika i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna. Angamba mety hanao zava-mahagaga indray ny TOMPO, ka hanainga ny Babilônianina handao antsika.


«Ry ilay taranak’olombelona, ambarao amin’ireo loholon’i Israely fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Moa hanontany Ahy ve no nahatongavanareo? Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hanaiky hanontanianareo mihitsy!›


Ary i Davida nanontany tamin’ny TOMPO hoe: –Handeha hiady amin’ireo Filistinina ireo ve aho? Ka hoy ny navalin’ny TOMPO azy; –Mandehana miady aminy ka vonjeo Kehilà.


Ary i Davida nanontany indray ny Tompo, ka novaliany hoe: –Mandehana mankany Kehilà, fa hatolotro ho eo an-tananao ny Filistinina.