Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 18:1 - DIEM PROTESTANTA

Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanan-karena sy voninahitra be i Jôsafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiany ny zanakavavin’i Ahaba mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nanan-karena amam-boninahitra be i Jôsafata ary nanao fanambadiana izy nihavanany tamin’i Akaba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zanani-lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin'i Ahaba.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanana harena sy voninahitra be i Josafata; ary ny zanany lahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’i Ahaba.

Jereo ny toko



2Tantara 18:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy nisy mihitsy olona tahaka an’i Ahaba izay nitolo-tena hanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO, satria nampirisihin’i Jezebela vadiny izy.


Roa taona no tsy nisian’ny ady intsony teo amin’i Siria sy i Israely.


Ary nanao fanekempihavanana tamin’ny mpanjakan’i Israely i Jôsafata.


Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny taranak’andriana rehetra izy.


Ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely no narahiny, dia tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba, satria nanambady ny zanakavavin’i Ahaba izy ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO.


Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.


Koa nohamafisin’ny TOMPO ny fahefàm-panjakana teo an-tanany; ary dia nitondra fanomezana ho an’i Jôsafata ny Jodeanina rehetra, hany ka nanan-karena sy voninahitra be izy.


Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Jôsafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.


Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.


Taorian’izany, i Jôsafata mpanjakan’i Joda dia nifarimbona tamin’i Ahazià mpanjakan’i Israely, izay ratsy fitondrantena.


Nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra izy, dia tahaka ny nataon’ireo taranak’i Ahaba, fa zanakavavin’i Ahaba no vadiny; eny, nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Jôrama.


Nefa katsaho aloha ny Fanjakàn’Andriamanitra sy ny hanao ny marina nosoritany, dia homeny anareo ho fanampiny ireny rehetra ireny.


Aza miray petsapetsa amin’ny tsy mpino, fa tsy sahaza anareo ny miara-dia aminy. Satria ahoana no ikambanan’ny marina amin’ny ratsy fanahy? Ahoana no hiombonan’ny mazava amin’ny maizina?