Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
2Tantara 15:4 - DIEM PROTESTANTA Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa rehefa azom-pahoriana izy, dia niverina tamin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ka nitady Azy ary nahita Azy. Baiboly Katolika fa tao anatin’ny fahoriana izy ireo, dia nitodika an’i Iaveh Andriamaniny, dia nitady Azy, ka mba nety ho hitany Izy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa raha niverina tamin’ Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. Malagasy Bible Fa raha niverina tamin'Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy nony azom-pahoriana, ka nitady Azy, dia nahita Azy. La Bible en Malgache Fa rehefa niverina tamin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, nony azom-pahoriana izy ka nitady Azy, dia nahita Azy. |
Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.
ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.
Rehefa nianjadiam-pahoriana mafy izy, vao nitaraina tamin’ny TOMPO Andriamaniny sady niaiky heloka teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razany
«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:
Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.
Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
Kanefa hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao hoe: Miverena amiko ianareo, dia mba hiverina aminareo Aho. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.
Fa i Isaià aza dia sahy milaza hoe: «Nanaiky ho hitan’izay tsy nitady Ahy Aho, hoy Andriamanitra, ary niseho niharihary tamin’izay tsy nanontany Ahy.»