2Tantara 15:1 - DIEM PROTESTANTA Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tonga tamin’i Azaria, zanak’i Odeda, ny Fanahin’Andriamanitra; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tonga tamin’i Hazarià zanakalahin’i Hôdeda ny Fanahin’Andriamanitra; Baiboly Katolika Tonga tamin’i Azariasa zanak’i Obeda ny fanahin’Andriamanitra Baiboly Protestanta Malagasy ARY ny Fahahin’Andriamanitra tonga tamin’i Azaria, zanak’i Odeda; Malagasy Bible Ary ny Fanahin'Andriamanitra tonga tamin'i Azaria, zanak'i Odeda; La Bible en Malgache Tonga tamin’i Azaria, zanak’i Odeda, ny Fanahin’Andriamanitra; |
Teo anivon’izany vahoaka tafangona izany i Jahaziela, levita zanakalahin’i Zakarià sy zafin’i Benaià sy zafiafin’i Jehiela ary zafindohalik’i Matanià sady anisan’ny taranak’i Asafa, dia voatsindrin’ny Fanahin’ny TOMPO,
Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »
Fa nisy olona anankiroa nijanona tao an-toby, i Eldada no anaran’ny iray ary i Medada kosa ny iray; anisan’ny loholona fitopolo lahy izy ireo, nefa tsy mba lasa nankany amin’ny Tranolay. Nahazo ny fanahy koa izy ireo ary dia naminany tao an-toby.
Rehefa niandrandra i Balahama, dia nahita ireo Israelita nitoby isaky ny fokony avy; ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona, fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona izay nentanin’ny Fanahy Masina.
Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.