Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 13:6 - DIEM PROTESTANTA

Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa kosa nitsangana i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata sady mpanompon’i Salômôna zanakalahin’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nitsangana nikomy tamin’ny tompony kosa i Jerôbôama zanak’i Nabata, mpanompon’i Salômôna zanak’i Davida.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa kosa Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ny tompony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa nitsangana kosa i Jeroboama, zanak’i Nebata, mpanompon’i Solomona, zanak’i Davida, ka nikomy tamin’ny tompony.

Jereo ny toko



2Tantara 13:6
5 Rohy Ifampitohizana  

Nisy koa ny fikomian’i Jerôbohama tamin’ny mpanjaka. Izao ny tantarany: I Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata, dia Efraîmita avy any Tseredà; ny reniny dia mpitondratena nantsoina hoe Tserohà; ary izy dia mba mpanompon’i Salômôna saingy nikomy taminy. Fa tamin’ny fotoana nanaovan’i Salômôna ny Milao sy nanamboarana ny rimbona tamin’ny mandan’ny tanànan’i Davida rainy,


Rehefa ren’ny Israelita tavaratra rehetra fa tafaverina indray i Jerôbohama, dia nampiantsoina hankao amin’ny fivoriana izy ka nampanjakainy tamin’i Israely avaratra manontolo; ary dia tsy nisy nanaraka ny taranak’i Davida intsony afa-tsy ny fokon’i Joda ihany.


Fa raha mbola miakatra hanao sorona ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ny vahoaka, dia hitodika amin’i Rehabohama mpanjakan’i Joda tompony indray ny fony; ka hamono ahy ho faty izy ary hiverina any amin’i Rehabohama.»


Dia niaraka tamin’i Hezekià ny TOMPO, ka nampahomby izay rehetra nataony. Nikomy tamin’ny mpanjakan’i Asiria izy ka tsy nety hofeheziny intsony.


Toy izany no nikomian’i Israely avaratra tamin’ny taranak’i Davida mandraka androany.