Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.
2Tantara 11:5 - DIEM PROTESTANTA Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitoetra tao Jerosalema i Rehabohama ary nanamboatra tanànamimanda tany Joda, Baiboly Katolika Nitoetra tao Jerosalema i Rôbôama; ary nanorina tanàna mimanda tamin’i Jodà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. Malagasy Bible Ary Rehoboama nitoetra tany Jerosalema ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. La Bible en Malgache Nitoetra tany Jerosalema i Rehoboama ka nanamboatra tanàna mimanda tany Joda. |
Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.
Eny, nandry feizay tokoa ny tany fa tsy nisy niady tamin’i Asà nandritra ireo taona ireo, satria ny TOMPO no nanome azy fiadanana ary nanamafy tanàna maro tao Joda ny mpanjaka nandritra izany fotoam-pilaminana izany
Novorin’i Asà mpanjaka ny Jodeanina rehetra; ka ireo no nanaisotra ny vato sy ny hazo tao Ramà, izay vao nohamafisin’i Bahasà. Dia nampiasan’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geba sy i Mitsepà.
Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.
Nametrahany miaramila tamin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda ary koa toby miaramila tao amin’ny tanin’i Joda sy tamin’ireo tanàna efraimita efa azon’i Asà rainy.
Samy notoloran-drainy fanomezana betsaka izy ireo, dia volafotsy sy volamena ary fanaka sarobidy mbamin’ny fifehezana tanànamimanda sasany tao Joda; fa ny maha-andriamanjaka kosa dia natolony an’i Jôrama, satria izy no lahimatoa.
Nandeha niady tamin’ny Filistinina i Hozià, ka nandrava ny mandan’i Gata sy ny an’i Jabne ary ny an’i Asdôda; avy eo izy dia nanamafy tanàna jodeanina takaikin’i Asdôda sy takaikin’ny Filistinina.
Nanorenany tanàna teny amin’ny havoan’i Joda ary nanaovany trano fiarovana sy tilikambo tany an’ala.
Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.