Norarahany lavenona ny lohany ary notriariny ny akanjo lava teny aminy; dia niloloha tanana izy sady nikiakiaka nitomany teny am-pandehanana.
2Tantara 11:12 - DIEM PROTESTANTA Isan-tanàna dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanàna ireo no nitazonan’i Rehabohama ny faritr’i Joda sy i Benjamîna ho azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tamin’ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafisiny tsara ny vohitra; ary i Joda sy i Benjamina no nomba azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Isan-tanàna dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanàna ireo no nitazonan’i Rehabohama ny faritr’i Joda sy i Benjamîna ho azy. Baiboly Katolika Samy nametrahany ampinga aman-defona avokoa ny tanàna dia nataony mahery fatratra. I Jodà sy i Benjamina dia azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tamin’ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy. Malagasy Bible Ary tamin'ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafiny dia nohamafiny ny vohitra; ary ny Joda sy ny Benjamina no nomba azy. La Bible en Malgache Ary tamin’ny isam-bohitra dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa, sady nohamafisiny tsara ny vohitra; ary i Joda sy i Benjamina no nomba azy. |
Norarahany lavenona ny lohany ary notriariny ny akanjo lava teny aminy; dia niloloha tanana izy sady nikiakiaka nitomany teny am-pandehanana.
Ary tsy nifampiteny intsony tamin’i Amnôna i Absalôma, satria halan’i Absalôma izy noho ny nanaovany an-keriny an’i Tamara anabaviny.
Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.
Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.
ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.
Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.
Nentanin-kerimpo hatrany i Hezekià ka nampanamboatra izay rehetra rava tamin’ny manda sady nampanisy tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany; nampanamafisiny ny toerana Milao tao an-Tanànan’i Davida ary lefona aman’ampinga betsaka no nampanefeny.
«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›