Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 10:8 - DIEM PROTESTANTA

Kanjo tsy noraharahain’i Rehabohama ny torohevitra nomen’ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona aminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa nolavin’i Rehoboama ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy, dia naka hevitra tamin’ny tanora izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka niteny taminy hoe:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanjo tsy noraharahain’i Rehabohama ny torohevitra nomen’ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona aminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Navelan-dRôbôama anefa ny torohevitra nomen’ny zokiolona azy, fa ny tovolahy indray nihira taminy sy nitoetra teo anatrehany indray no nilany hevitra. Hoy izy tamin’ireo:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen’ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin’ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa nolavin-dRehoboama ny saina nomen'ireo zoki-olona azy, dia naka hevitra tamin'ny tovolahy izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka nanao taminy hoe:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa nolavin’i Rehoboama ny torohevitra nomen’ireo zokiolona azy, dia naka hevitra tamin’ny tanora izay indray nihira taminy sady efa nitoetra teo anatrehany izy ka niteny taminy hoe:

Jereo ny toko



2Tantara 10:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Absalôma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: –Tsara noho ny torohevitr’i Ahitôfela ny an’i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon’ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr’i Ahitôfela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin’i Absalôma.


ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy?


Nolavinareo ny torohevitro rehetra ary tsy noraharahainareo ny anatro.


Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.


Henoy ny torohevitra ary raiso ny anatra mba hahatonga anao ho hendry any aoriana.


Toy ny kavina sy rojo volamena no hasoan’ny anatry ny hendry amin’izay mihaino.


Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao. Raha tojo fahasahiranana ianao, aza mankany amin’ny rahalahinao, fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky noho ny rahalahy lavitra.


Manomeza ho an’ny hendry, dia hihahendry izy; ampianaro ny olo-marina, dia hitombo traikefa izy.


Mampalahelo ny tany izay manana mpanjaka mbola tanora fanahy sy mpitondra tendan-kanina vao maraina.


Lozanareo zanaka maditra, hoy ny TOMPO! Manao tetikasa ianareo, nefa tsy avy amiko ireny; manao fifanekena, nefa tsy araka ny Fanahiko. Heloka ampiana heloka izany.