Koa mba avelao izahay ho any amoron’i Jôrdàna, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisà: –Mandehana àry.
1Timoty 6:6 - DIEM PROTESTANTA Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an’ny olona mahay mianina amin’izay ananany; Baiboly Katolika Eny, harem-be tokoa ny fahazotoa-mivavaka, omban’ny fianinana; Baiboly Protestanta Malagasy Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Malagasy Bible Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana. La Bible en Malgache Fa misy tombontsoa lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra raha mahay mianina amin’izay ananana. |
Koa mba avelao izahay ho any amoron’i Jôrdàna, samy haka hazo iray avy hanaovanay toeram-pivoriana vaovao any. Dia hoy i Elisà: –Mandehana àry.
Ny indray andro eo an-kianjan’ny tempolinao dia tsara kokoa noho ny arivo any an-toeran-kafa; koa eo am-baravaran’ny tranonao no aleoko ipetrahana, Andriamanitro ô, toy izay hitoetra ao amin’ny fonenan’ny olon-dratsy.
Nanaiky hipetraka tao amin’i Rehoela io i Mosesy. Nomen’ilay rangahy ho vadin’i Mosesy i Tsipôrà zanany vavy.
Dia hoy i Jesoa tamin’ny vahoaka: –Mitandrema! Aoka tsy ho voan’ny fangoronan-karena isan-karazany ianareo, fa ny ain’olona tsy miankina amin’ny habetsahan’ny fananany!
Nisy ihany koa miaramila nanontany azy hoe: –Mba inona kosa no tokony hataonay? Dia hoy izy taminy: –Aza maka zavatr’olona an-keriny na am-pitaka, fa aoka ianareo ho afa-po amin’ny karamanareo.
Fantatsika fa Andriamanitra dia miasa hahatonga ny zavatra rehetra hahasoa ny olona tia Azy, dia ny olona nantsoiny araka ny fikasany rahateo.
satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,
Ny fampiasan-tena ara-batana dia mba mahasoa ihany, nefa tsy dia manao ahoana loatra; fa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra kosa dia mahasoa amin’ny zavatra rehetra, satria mampanantena fiainana na ankehitriny na amin’ny ho avy.
Aza avela hahazo laka amin’ny fiainanareo ny fitiavam-bola; aoka ianareo hianina amin’izay anananareo, fa hoy Andriamanitra: «Tsy handao anao mihitsy Aho, ary tsy hahafoy anao velively.»