Fa na zovy na zovy manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra dia izy no rahalahiko na anabaviko na reniko.
1Timoty 5:2 - DIEM PROTESTANTA ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny vehivavy efa zokiolona toy ny reny ary ny tovovavy dia toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny vehivavy efa zokiolona, ento toy ny reny; ary ny zatovovavy, ento toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka. Baiboly Katolika ny anti-bavy, toy ny reny; ny tovovavy, toy ny anabavy, amim-pahadiovana tanteraka. Baiboly Protestanta Malagasy ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra. Malagasy Bible ny vehivavy anti-panahy toy ny reny, ny tanora fanahy toy ny anabavy, amin'ny fahadiovana rehetra. La Bible en Malgache ny vehivavy efa zokiolona toy ny reny ary ny tovovavy dia toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana rehetra. |
Fa na zovy na zovy manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra dia izy no rahalahiko na anabaviko na reniko.
Farany, ry havana, aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.
Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy;
Andosiro ny zava-dratsy ironan’ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin’ireo olona miantso ny Tompo amin’ny fo mahitsy.