Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
1Timoty 4:5 - DIEM PROTESTANTA satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany. Baiboly Katolika satria mahamasina ny zavatra rehetra ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana. Baiboly Protestanta Malagasy satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fivavahana izany. Malagasy Bible satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. La Bible en Malgache satria hamasinin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany. |
Nataon’Andriamanitra avokoa ny bibidia isan-karazany, ny biby fiompy isan-karazany, ary ny biby madinika isan-karazany mandady amin’ny tany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona.»
Fa ny lahy tsy mpino dia atokan’Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina; ary ny vavy tsy mpino dia atokan’Andriamanitra ho Azy, noho ny vadiny kristianina. Raha tsy izany, dia ho tsy mpino ny zanak’izy roa, kanefa izao dia voatokana ho an’Andriamanitra.
raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.
Madio avokoa ny zavatra rehetra amin’ny olona madio; fa tsy misy madio na inona na inona amin’ny olona voaloto sady tsy mino, satria samy efa voaloto na ny sainy na ny fieritreretany.
Finoana no ahafantarantsika fa ny tenin’Andriamanitra no nanaovana izao tontolo izao; koa izao hita maso izao dia natao avy amin’ny tsy hita maso.