Aoka hiredona izany ny navotan’ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan’ny mpampahory
1Timoty 4:10 - DIEM PROTESTANTA Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay satria izahay dia manantena an’Andriamanitra velona izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria ny fanantenanay dia efa napetrakay amin’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa ireo mino. Baiboly Katolika fa izany indrindra no ikelezanay aina sy iadianay, dia noho izahay manantena an’Andriamanitra velona. Mpamonjy ny olombelona rehetra, indrindra fa ny mpino. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. Malagasy Bible Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an'Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. La Bible en Malgache Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay satria izahay dia manantena an’Andriamanitra velona izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino. |
Aoka hiredona izany ny navotan’ny TOMPO, dia ireo navotany ho afaka teo an-tanan’ny mpampahory
TOMPO ô, mahatakatra ny lanitra ny fitiavanao; mipaka eny amin’ny rahona ny toetranao mahatoky.
Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.
Eny, ny TOMPO Andriamanitra no manda sy ampinga ho antsika. Fitiavana sy voninahitra no omen’ny TOMPO; tsy mba misy zava-tsoa laviny amin’izay madio fitondrantena.
Indro Andriamanitra namonjy ahy, matoky Azy aho ka tsy mangovitra intsony. Ny TOMPO no heriko sy fidèrako, fa Izy no mpamonjy ahy.»
Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony! Raha misy mandeha amin’ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, aoka izy hitoky sy hiankina amin’ny TOMPO Andriamaniny!
Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.
Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin’ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,
Dia novalian’i Simôna Petera hoe: –Ianao no ilay Mesia, ny Zanak’ilay Andriamanitra velona!
Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: «Zanak’Andriamanitra Aho.»
Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!
ka hoy ireo tamin-dravehivavy: –Tsy noho ny filàzanao ihany no inoanay fa ny tenanay no nandre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy an’izao tontolo izao.
Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay mihaino ireo teniko sy mino Ilay naniraka Ahy no velona aina mandrakizay; ka tsy hohelohina izy, satria efa niala tamin’ny fahafatesana mba ho velona aina.
Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Izy no nanafaka anay tamin’ny fahafatesana nananontanona anay, ary dia mbola hanafaka any hatrany; eny, Izy no antenainay fa hanafaka hatrany,
Izay tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahalalan’izy rehetra ny finoana marina.
nanolo-tena ho fanavotana ny olona rehetra: izany no porofo mby amin’ny fotoanandrony tokoa fa tia ny hahavoavonjy ny olona rehetra Andriamanitra.
Fa raha tratra ela aho, ity taratasy ity dia misy hahafantaranao izay fitondrantena tokony hataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, izany hoe ny Fiangonan’ilay Andriamanitra velona, ny Fiangonana izay mampijoro sy manamafy orina ny hafatra marim-pototra.
Anaro ireo mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin’ny harena tsy mateza, fa amin’Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.
Nataony fa ny miaritra fanaratsiana noho ny amin’ny Mesia dia harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Ejipta, fa nibanjina ny valisoa mbola ho avy izy.
Aoka àry isika hivoaka ny toby hankeo amin’i Jesoa, ka hiara-mizaka aminy ny fandatsana nozakainy.
Izy no mahatonga anareo hino an’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona avy any amin’ny maty sy nanome voninahitra Azy, mba hifantohan’ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin’Andriamanitra.
Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.
Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an’izao tontolo izao ny Ray.