«Eo anatrehan’ireo mpahalala Ahy, hoy Izy, no hotsarovako fa ny Ejiptianina sy ny Babilônianina mbamin’ny Filistinina sy ny Tirianina ary ny Etiôpianina dia samy teraka tany amin’ny taniny avy.
1Petera 5:13 - DIEM PROTESTANTA Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako. Baiboly Katolika Manao veloma anareo ny Eglizin’i Babilôna, voafidy toa anareo, sy i Marka zanako. Baiboly Protestanta Malagasy Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa. Malagasy Bible Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa. La Bible en Malgache Izay any Babilona, voafidy sahala aminareo, dia manao veloma anareo, ary i Marka zanako koa. |
«Eo anatrehan’ireo mpahalala Ahy, hoy Izy, no hotsarovako fa ny Ejiptianina sy ny Babilônianina mbamin’ny Filistinina sy ny Tirianina ary ny Etiôpianina dia samy teraka tany amin’ny taniny avy.
Nony nazava tsara tamin’i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka.
Rehefa nahatontosa ny asa nanirahana azy tany Jerosalema i Barnabà sy i Saoly, dia niverina sady nitondra an’i Jôhany izay antsoina hoe Marka hiaraka aminy!
Dia nifanditra mafy izy roa lahy ka nisara-dia. I Barnabà moa nitondra an’i Marka, ary niondrana an-tsambo ho any Sipra.
Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak’olo-mpiray tampo izy sy i Barnabà); efa nahazo hafatrafatra momba an’i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo.
manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko.
Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Andriambavy voafidin’Andriamanitra, ary mamangy an’ireo zanakao izay tiako marina tokoa; ary tsy izaho ihany no manam-pitiavana anareo fa izay rehetra mahalala ny hafatra marim-pototra koa,
ary nisy anarana voasoratra teo an-kandriny, dia anarana mifono hevi-miafina manao hoe: «Izaho no Babilôna lehibe, foiben’ny fijangajangana sy ny fanazimbazimbana eto ambonin’ny tany.»
Dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: «Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony, sy fieren’ny fanahy maloto rehetra, ary fieren’ny vorona amam-biby maloto rehetra hàlan’ny olona!