1Petera 4:8 - DIEM PROTESTANTA Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa. Baiboly Katolika Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, fa ny fitiavana manarona fahotana maro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara: fa ,,ny fitiavana manarona fahotana maro’’ (Oha. 10.12). Malagasy Bible Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha 10.12) La Bible en Malgache Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara, fa «ny fitiavana no manarona fahotana maro» (Oha 10.12). |
Ny adala maneho hatezerana eo no ho eo, fa ny hendry alaim-baràka kosa mahatsindry fo.
Izay mitady fihavanana manadino ny hadisoana; fa izay mamoha fota-mandry mampisaraka ny mpisakaiza.
Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny fitenin’ny anjely aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia zary varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny.
Mahari-po ny fitiavana; be hamoram-po ny fitiavana; tsy mialona ny fitiavana, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Fa ambonin’ny zavatra rehetra, mitafia ny fitiavana izay mamehy ny hatsaram-panahy rehetra ho tanteraka.
Ny Tompo anie hampitombo ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny olona rehetra ho tahaka ny itiavanay anareo!
Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.
Ny kendren’izany fandrarana izany dia ny mba hamohafoha ny fitiavana avy amin’ny fo mahitsy sy fieritreretana tsara ary finoana tsy mihatsaravelatsihy.
Ary indrindra indrindra, ry havako, aza mianiana mihitsy ianareo, na amin’ny lanitra, na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa; fa aoka hanao «eny» ianareo rehefa manaiky, ary hanao «tsia» rehefa mandà, fandrao hihatra aminareo ny fanamelohan’Andriamanitra.
dia izao no tsarovy: izay namerin-dalana ny mpanota hiala amin’ny fahadisoany, dia namonjy ny fanahin’izany mpanota izany tsy ho faty sady mikosoka ny fahotana maro miavosa.
Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.
Mangataka amin’Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin’ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.