Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Petera 3:2 - DIEM PROTESTANTA

rehefa mahita ny fitondrantenanareo madio sy feno fanajana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

rehefa mahita ny fitondrantenanareo madio sy feno fanajana azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

rehefa mahita ny fitondran-tenanareo madio sy feno fahatahorana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondran-tenanareo amin'ny fahatahorana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

rehefa hitany ny fitondrantenanareo izay madio sy feno fanajana.

Jereo ny toko



1Petera 3:2
13 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan’ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.


Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin-tahotra sy fanajana ary amin’ny fahatsorampo toy ny anekenareo an’i Kristy.


Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.


Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin’ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.


Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo ara-nofo amin’ny zavatra rehetra. Aza eo imasony ihany no manao izany, toy ny mila sitraka amin’olona; fa maneke amim-pahatsoram-po noho ny fanajànareo an’i Jesoa Tompo.


Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny maha tanora anao, fa aoka ianao ho ohatra ho an’ny mpino amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.


Fa masina ilay Andriamanitra niantso anareo; noho izany, aoka ho masina tahaka Azy koa ianareo amin’ny lafim-pitondrantena rehetra,


Manàna fitondrantena tsara eo anivon’ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro hiavian’i Kristy.


Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; ka raha tàhiny misy tsy mety mino ny tenin’Andriamanitra, dia mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy; na tsy misy teny lazainareo aza, dia ho voataona izy


Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany fotsiny, toy ny taovolo sy ny firava-bolamena ary ny didy akanjo;


Koa raha ho levona toy izany àry izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin’ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin’Andriamanitra?