Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena.
1Petera 3:19 - DIEM PROTESTANTA Nombàn’ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin’ireo fanahy voagadra, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nombàn’ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin’ireo fanahy voagadra, Baiboly Katolika Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, Baiboly Protestanta Malagasy izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-trano-maizina, Malagasy Bible izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-tranomaizina, La Bible en Malgache izay nandehanany sy nitoriany teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, |
Nandefitra taona maro taminy Ianao, ary ny mpaminaninao, nentanin’ny Fanahinao, no nananaranao azy mafy; fa tsy nety nihaino izy, ka dia natolotrao ho eo an-tanan’ny hafa firenena.
Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»
ka ny mpifatotra izay ao anaty haizina dia hitenenako hoe: ‹Mivoaha tao ianareo, misehoa.› Eny an-dalana eny izy dia hahazo sakafo, ka ho tahaka ny andiam-biby fiompy mirao-bilona amin’ny havoana rehetra.
Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,
Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.
dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.
Fa izany no nitoriana ny Vaovao Mahafaly tamin’izay maty aza: mba ho velona araka ny fomban’Andriamanitra izy ao amin’ny fanahy, rehefa notsaraina tao amin’ny nofo araka ny fomban’ny olona.
Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.