1Petera 2:19 - DIEM PROTESTANTA satria izao no ankasitrahin’Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an’Andriamanitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria izao no ankasitrahin’Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an’Andriamanitra. Baiboly Katolika Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. Malagasy Bible Fa izao no ankasitrahana: raha misy olona mitondra alahelo ka mandefitra ny tsy marina noho ny fieritreretana ny amin'Andriamanitra. La Bible en Malgache Fa fahasoavana ny fitondrana alahelo sy fandeferana amin’ny tsy rariny noho ny fieritreretana ny amin’Andriamanitra. |
Aza avela hanesoeso ahy ireo mpandrafy tsy an-drariny; aoka tsy hifanao pi-maso ahy ireo mpankahala tsy amin’antony!
Sasatry ny miantso vonjy aho; ka maina ny tendako, vizana ny masoko, eo am-piandrasako Anao Andriamanitro.
Raha ny manam-pitiavana anareo ihany no tiavinareo, inona no mba sitraka manokana mendrika anareo? Ny mpanota koa mba tia izay manam-pitiavana azy!
Fa izany rehetra izany dia hataony aminareo noho ny amiko, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.
Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.
Noho izany, dia ilaina ny manaiky, tsy dia noho ny fahatezeran’Andriamanitra fotsiny fa noho ny baikon’ny fieritreretana koa.
Saingy ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy, ary tsy very maina tao amiko ny fahasoavana nomena ahy; fa niasa mihoatra noho ny apôstôly rehetra aho, kanefa tsy izaho, fa ilay fahasoavan’Andriamanitra niaraka tamiko.
Izao manko no ireharehanay: ny fieritreretanay dia vavolombelona manambara fa ny fomba nitondranay tena teto amin’izao tontolo izao, indrindra teo aminareo, dia tamin’ny fahatsorana sy hitsimpo nomen’Andriamanitra; satria ny fahasoavan’Andriamanitra no nitarika anay fa tsy ny fahendren’olombelona.
Tianay hampahafantarina anareo, ry havana, ny fahasoavana nomen’Andriamanitra tao amin’ireo Fiangonana any Masedônia.
ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.
Fa raha mba voadio tanteraka ho afaka tamin’ny otany tokoa ireo mpanao izany fanompoam-pivavahana izany, dia tsy hoenjehin’ny fieritreretany intsony, ka ho nitsahatra nanolotra sorona.
Inona tokoa moa no lazanareo, raha tàhiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tàhiny manao soa ianareo no nampahorîna ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin’Andriamanitra.
Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;