Nifikitra tamin’ny TOMPO izy ka tsy mba niala taminy, fa nitandrina ny didy izay nomen’ny TOMPO an’i Mosesy.
1Jaona 5:3 - DIEM PROTESTANTA Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo, Baiboly Katolika Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. Malagasy Bible Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. La Bible en Malgache Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny. Ary tsy mavesatra ny didiny |
Nifikitra tamin’ny TOMPO izy ka tsy mba niala taminy, fa nitandrina ny didy izay nomen’ny TOMPO an’i Mosesy.
nefa kosa izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko, dia hanehoako famindrampo hatramin’ny taranaka faharivo.
Ary nivavaka tamin’ny Tompo Andriamanitro aho sady niaiky heloka hoe: «Indrisy, Tompo ô, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra Ianao ka mitandrina ny fanekempihavanana sy ny fitiavana amin’izay tia Anao sy mankato ny didinao.
Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.
Entam-be sady tsy zaka no feheziny ka atainginy eo an-tsoroky ny olona, nefa na dia ny rantsan-tanan-dry zareo aza tsy tiany hanetsika izany.
Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy itoerako ao amin’ny fitiavana Ahy.
nefa kosa amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko, dia mamindrafo hatrany amin’ny taranaka faharivo Aho.
Aoka ho fantatrareo fa ny TOMPO Andriamanitrareo no hany Andriamanitra tena Izy. Mitandro ny fanekempihavanany sy ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo Izy amin’izay tia Azy sy mitandrina ny didiny;
Fa izao no Fanekempihavanana hataoko amin’ny vahoaka Israely rehefa afaka izany andro izany, hoy ny Tompo: Hataoko ao an-tsainy ny lalànako, ary hosoratako ao am-pony; dia ho Andriamanitr’ireo Aho, ary izy ho vahoakako!
Ny ahafantarantsika fa mahalala an’Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny.
Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana.