Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 4:2 - DIEM PROTESTANTA

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao no ahafantarana ny fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga nofo i Jesoa Kristy dia avy amin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy* no avy amin’Andriamanitra;

Jereo ny toko



1Jaona 4:2
10 Rohy Ifampitohizana  

Ilay Teny dia tonga olombelona, ka niara-nonina taminay. Feno fahasoavana sy fahamarinana Izy ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra avy amin’ny Ray ho an’ny Zanaka lahitokana.


Koa ampahafantariko anareo fa tsy misy olona tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra ka hiteny hanao hoe: «Voaozona i Jesoa!» Ary tsy misy koa afaka hilaza hoe: «I Jesoa no Tompo», raha tsy tarihin’ny Fanahy Masina.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Eny, efa naseho ny fiainana sady efa hitanay; ary tonga vavolombelony izahay ka manambara aminareo ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia ilay fiainana nitodika tany amin’ny Ray ka efa naseho taminay.


Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.


Na iza na iza manaiky an’i Jesoa ho Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin’Andriamanitra.


ny olona rehetra tsy manaiky an’i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin’Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin’ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin’izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.


Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak’Andriamanitra koa.


Maro mantsy ny mpamitaka efa niely eran’izao tontolo izao: izy ireny dia tsy manaiky fa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy. Izany no maha mpamitaka sy maha antikristy!