Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 2:4 - DIEM PROTESTANTA

Izay milaza ho mahalala an’Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin’izany olona izany ny hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izay milaza ho mahalala an’Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin’izany olona izany ny hafatra marim-pototra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izay milaza ho mahalala Azy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary tsy ao anatiny ny marina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina tsy ao anatiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izay milaza hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga, ary ny marina dia tsy ao anatiny.

Jereo ny toko



1Jaona 2:4
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.


Fa maro tokoa, indrindra tamin’ireo Jiosy tonga kristianina, no mikomy sy manodoka ny olona amin’ny taria poaka àty.


Miaiky izy fa mahalala an’Andriamanitra, nefa mandà Azy amin’ny ataony; ka olona mpanimbazimba sady tsy mba manoa ary tsy mahavita asa soa na inona na inona.


Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.


Raha milaza ho manam-piombonana amin’Andriamanitra isika, nefa miaina ao amin’ny haizina, dia mandainga sady tsy manatanteraka ny hafatra marim-pototra.


Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra.


Ny ahafantarantsika fa mahalala an’Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny.


Izay milaza fa ao amin’ny fahazavana izy, kanefa mankahala ny namany iray finoana, dia mbola ao amin’ny haizina ihany.


Izay rehetra miray amin’i Kristy dia tsy manota; izay rehetra manota, dia tsy nahita Azy na nahalala Azy.


Raha misy manao hoe: «Manam-pitiavana an’Andriamanitra aho», nefa mankahala ny namana iray finoana, dia mpandainga izy; fa raha ny namana izay hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an’Andriamanitra Izay tsy hitany?


Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.