Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Jaona 1:10 - DIEM PROTESTANTA

Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary ny teniny dia tsy ato anatintsika.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha milaza ho tsy nanota isika, dia mampandainga an’Andriamanitra sady tsy ao anatintsika ny teniny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Raha milaza antsika ho tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary tsy ao anatintsika ny teniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary ny teniny tsy ato anatintsika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy isika, ary ny teniny dia tsy ato anatintsika.

Jereo ny toko



1Jaona 1:10
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa inona ny olombelona no hihambo ho madio? Na izay natera-behivavy no hanao ny tenany ho marina?


Raha tàhiny ka tsy izany no marina, dia iza no sahy hanao ahy ho mpandainga ka haneho fa tsinontsinona izay voalazako?


Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO, iza moa no hahatanty, Tompo ô?


dia mihambo ho tsy manan-tsiny ianao, ary tsy ara-drariny ny itezerako anao. Koa noho ianao milaza ho tsy manao ratsy, dia hanenjika anao amin’ny fitsarana Aho.


Izay mandray ny fijoroany ho vavolombelona dia manamarina fa azo antoka Andriamanitra.


Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo, ka hifampianatra sy hifananatra amim-pahendrena tanteraka ianareo; noho ny fahasoavana manenika anareo, dia mihirà amin’ny fonareo tokoa ho an’Andriamanitra ka mikaloa salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina.


Raha milaza ho tsy manam-pahotana isika, dia mamita-tena, ary tsy ao anatintsika ny hafatra marim-pototra.


Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»


Izay milaza ho mahalala an’Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin’izany olona izany ny hafatra marim-pototra.


Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao.


Koa izay mino ilay Zanak’Andriamanitra no manana izany zavatra ambara izany ao anatiny; izay tsy mino an’Andriamanitra kosa dia efa nampandainga an’Andriamanitra, satria tsy nino ny zavatra nambarany momba ilay Zanany.


satria mitoetra ao anatintsika ny hafatra marim-pototra sady homba antsika mandrakizay.