Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna.
1Tantara 6:56 - DIEM PROTESTANTA Ho an’ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia nisy tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase: dia i Gôlàna any Basàna sy i Hastarôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny an’ny taranak’i Gersoma dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy; i Astarota sy ny tany manodidina azy avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho an’ny taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia nisy tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase: dia i Gôlàna any Basàna sy i Hastarôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy; Baiboly Katolika Ny nomena ny taranak’i Gersôma avy amin’ny fianakavian’ny antsasa-pokon’i Manase: i Gôlàna any Basàna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Astarôta mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy; Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny an’ny taranak’i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin’ny antsasaky ny firenen’i Manase; Malagasy Bible Ary ny an'ny taranak'i Gersona dia Golana any Basana sy ny tany manodidina azy ary Astarta, sy ny tany manodidina azy avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase; La Bible en Malgache Ny an’ny taranak’i Gersoma dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy; i Astarota sy ny tany manodidina azy avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase; |
Ny an’i taranak’i Gersôna, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 13 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy ny fokon’i Asera ary ny fokon’i Naftalỳ mbamin’ny antsasa-pokon’i Manase any Basàna.
Dia nitsodrano an’i Kaleba zanakalahin’i Jefonè i Josoa ka nanome an’i Hebrôna ho lovany.
I Kaleba, zanakalahin’i Jefonè, dia nomena ampahany tao amin’ny tanin’ireo taranak’i Joda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà razamben’ny Hanakita; i Kiriata-Arbà no natao hoe Hebrôna tatỳ aoriana.
Ny azon’ny taranak’i Geresôna tamin’ny antsapaka dia tanàna 13 avy tamin’ny fokon’i Jisakara sy fokon’i Asera ary fokon’i Naftalỳ sy antsasa-pokon’i Manase any Basàna.