Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.
1Tantara 5:20 - DIEM PROTESTANTA Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy. Baiboly Katolika Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra teo amin’ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. Malagasy Bible Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. La Bible en Malgache Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy. |
Nitaraina tamin’ny TOMPO ho an’ny vadiny i Itsehàka satria tsy niteraka izy. Dia nohenoin’ny TOMPO ny fitarainany, koa nitoe-jaza i Rebekà vadiny.
Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia isangodinany hiadiana izy; kanjo niantsoantso mafy i Jôsafata.
Nataony babo ny biby fiompiny (dia rameva 50 000, ondry aman’osy 250.000, boriky roa arivo) ary koa olona iray hetsy.
Marobe ny fahavalo maty niampatrampatra satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary nipetraka nisolo toerana ny Hagrita ry zareo mandra-pahatongan’ny fahababoana.
Tamin’izany fotoana izany no nampietrena ny Israelita; nandresy kosa ny Jodeanina satria niankina tamin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.
Nony nahita an’i Jôsafata ireo komandin-kalesy, dia nihevitra azy ho ny mpanjakan’i Israely mihitsy. Dia nohodidininy hasiana izy; kanjo niantso vonjy kosa i Jôsafata, ka namonjy azy ny TOMPO Andriamanitra, ary nampiala ny fahavalo teo aminy.
Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.
Ary nanampy azy hatrany Andriamanitra hanohitra ny Filistinina sy ny Arabo nonina tao Gora ary ny Mehonita.
ka nifona taminy. Dia nandeferan’ny TOMPO izy sy nohenoiny vavaka ary nampodîny ho any Jerosalema hanohy ny maha mpanjaka azy. Tamin’izay no nieken’i Manase fa ny TOMPO no hany Andriamanitra.
Izany no nifadianay hanina sy nangatahanay ny hiarovan’Andriamanitra anay; ary nohenoiny vavaka izahay.
Manampy sy manafaka azy ny TOMPO, manafaka azy amin’ny olon-dratsy ka mamonjy azy noho ireo mialoka aminy.
Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny zava-maneno avo feo. Tononkira nataon’ireo terak’i Kôra.
Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.
Havotako tokoa ianao mba tsy ho faty an’ady, ka ho voavonjy ny ainao, satria natoky Ahy ianao. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.› »
Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.
Fa tsara ny TOMPO, fialofana amin’ny andro mahory Izy. Izy no miahy izay mialoka aminy,
Hideranay an’Andriamanitra be voninahitra anie izany, satria izahay no nanantena voalohany an’i Kristy.
Ary tsy nisy andro tahaka iny, na taloha na taoriana, izay nihainoan’ny TOMPO hatak’olona; fa niady ho an’i Israely ny TOMPO.
Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita.
Fa lehilahy iray taminareo no nampandositra fahavalo arivo satria ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo, araka izay efa nampanantenainy anareo.
Fa nalefan’i Saoly hijery an’i Davida fanindroany ireo iraka sady nohafarany hoe: –Ento atỳ amiko amin’ny farafara izy fa tsy maintsy matiko!
Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»