Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 29:9 - DIEM PROTESTANTA

Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony manontolo no nahazotoany nanatitra ho an’NY TOMPO; faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nahafaly ny vahoaka ny fanatiny an-tsitrapo, satria tamim-po mazava no nanaovany an’izany fanatitra izany ho an’i Iaveh. I Davida mpanjaka koa faly dia faly tamin’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an’i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan'ireo, fa tamin'ny fony rehetra no nahazotoany nanatitra ho an'i Jehovah; ary Davida mpanjaka koa faly dia faly.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia faly ny vahoaka noho ny fahazotoan’ireo, fa tamin’ny fony manontolo no nahazotoany nanatitra ho an’NY TOMPO; faly dia faly koa i Davida mpanjaka.

Jereo ny toko



1Tantara 29:9
22 Rohy Ifampitohizana  

ary hiraiki-po amin’ny TOMPO Andriamanitsika ianareo mba hizoranareo araka ny lalànany sy hitandremanareo ny didiny tahaka izao ataonareo anio izao.»


Indray andro dia hoy i Jôasy tamin’ireo mpisorona: –Angoninareo izay vola rehetra entina ato an-tranon’ny TOMPO, dia ny vola nandoavan’ny olona ny hetrany na ny vola natolotra an-tsitrapo. Asaivo hangonin’ireo mpandray vola voatendry izany ka hampiasainareo hanamboarana izay hitanareo fa simba amin’ny tempoly.


Dia nankalaza ny TOMPO teo imason’ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: –Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay!


Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon’ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.


ary nanarakaraka azy indray dia i Hamasià, zanakalahin’i Zikry sady nanolo-tena an-tsitrapo ho an’ny TOMPO, mpifehy lehilahy maherifo nisy andiany roanjato.


Dia faly avokoa ny manampahefana sy ny vahoaka nitondra ny anjarany ary nandatsaka izany tao amin’ny vata mandra-pahafenony.


Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.


Ny olona rehetra nifanakaiky taminy dia nanampy azy tamin’ny fanaka volafotsy sy volamena, fananana hafa sy biby fiompy ary zavatra sarobidy mbamin’ny fanomezana an-tsitrapo ho an’ny tempoly.


Miaramila voafantina no miaraka aminao amin’ny andro amorianao ny tafikao. Eny amin’ny tendrombohitra masina no hanatona Anao ireo zatovolahinao toy ny ando napoitran’ny mazavatsinanana.


Ny Israelita malala-tanana rehetra, na lahy na vavy, dia nitondra fanatitra an-tsitrapo ho an’ny TOMPO mba ho enti-manao ireo asa izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


Dia lasa izy mody any an-trano ary vorîny ireo sakaiza sy mpiara-monina ka ilazany hoe: «Miaraha mifaly amiko fa ilay ondriko very dia hitako indray!»


Izany no voalazako taminareo, dia mba ho ao aminareo ny hafaliako ary mba ho feno ny hafalianareo.


Fa raha misy ny risi-po hanome, dia ny manome araka izay ananana ihany no ankasitrahin’Andriamanitra, fa tsy hoe ny manome araka izay tsy ananana.


Vavolombelona nahita aho fa nanome araka izay zakany ry zareo, eny mihoatra noho izay zakany aza; nahim-pony


Toy izany àry, ry hava-malala, no aoka hitomoeranareo tsara miray amin’ny Tompo. Fa tiako tokoa ianareo, ry havako, sady manina anareo fatratra aho; ianareo no fifaliako sy toy ny satroboninahi-pandresena ho ahy.


Nahatsapa hafaliana lehibe tao amin’ny Tompo aho, satria nasehonareo indray ny fiahianareo ahy. Nitohy hatrany ny fiahianareo ahy, saingy tsy mbola nisy fotoana hanehoanareo izany.


Ny ahy ny fo dia miandany amin’ireo komandin’i Israely; ny foko dia miandany amin’ireo vahoaka nanolo-tena hiady; koa isaory ny TOMPO izany!