I Ôbila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva. I Jehedeià, avy any Merônôta, no mpiandraikitra ny borikivavy.
1Tantara 27:29 - DIEM PROTESTANTA I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Sitray, avy any Sarôna, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tany Sarôna. I Safata, zanakalahin’i Hadlay, no mpiandraikitra ny omby nandrasana tan-dohasaha. Baiboly Katolika i Setraì avy any Sarôna no amin’ny omby andrasana any Sarôna; i Safàta zanak’i Adlì no amin’ny omby eny an-dohasaha; Baiboly Protestanta Malagasy ary ny tonian’ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’i Adlay; Malagasy Bible ary ny tonian'ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian'ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak'i Adlay; La Bible en Malgache ny mpiandraikitra ny fiandrasana omby any Saròna dia i Sitiray sarònita; ny mpiandraikitra ny omby any an-dohasaha dia i Safata, zanak’i Adlay; |
I Ôbila, izay Jismahelita, no mpiandraikitra ny rameva. I Jehedeià, avy any Merônôta, no mpiandraikitra ny borikivavy.
Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.
Nanao tilikambo fiambenana ihany koa izy tao an-taniefitra sady nihady lavaka maro ho famorian-drano, satria nanana omby aman’ondry betsaka izy teny amin’ny faritr’i Sefelà sy teny amin’ny lemaka; ary nanana mpiasa tany teny an-kavoana sy mpamboly voaloboka teny an-tanimboaloboka koa ny mpanjaka, satria tia asa tany tokoa izy.
Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin’ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman’osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,
Aoka ho rakotra voninkazo izy ka hitotorebika sy handihy ary hihorakora-pifaliana! Satria nomen’ny TOMPO azy ny voninahitr’i Libano mbamin’ny famirapiratan’ny tendrombohitra Karmela sy ny famirapiratan’ny lemak’i Sarôna. Amin’izay no hahitana ny voninahitry ny TOMPO sy ny famirapiratan’ilay Andriamanitsika.
Ho an’ny vahoakako izay nitady Ahy dia hanjary saha fiandrasana ondry i Sarôna, ary hanjary valan’omby ny lohasaha Hakôra.
Nahita azy ny mponina rehetra tany Lida sy tany amin’ny lemak’i Sarôna ka niverina ho amin’ny Tompo.
Mihodîna ianareo, ary mandehana mankany amin’ny tendrombohitra fonenan’ny Amôrita; mandehana mankany amin’ny faritra manodidina fonenan’ny Kanahanita, dia ny lemak’i Harabà, ny faritra havoana, ny lemak’i Sefelà, ny Negeba, mbamin’ny moron-tsiraka; mandehana mankany Libano ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata.
Dia ny mofo masina tokoa no nanomezan’ny mpisorona ho an’i Davida, satria tsy nisy mofo hafa. Ireo mofo masina ireo dia mofo natolotra tamin’ny TOMPO ary avy eo dia nesorina tao amin’ny Toeramasina mba hosoloana mofo mafana.